Zavakanto & Kolontsaina

Antananarivo dia renivohitra ara-kolontsaina sy zavakanto ihany koa. Eto no mivory ny fomba fanehoana ny maha-malagasy antsika : ny mozika, ny teatra, ny boky, ny dihy, ny sarimihetsika ary hatramin’ny zavakanto eny an-dalambe. 

Ny sehatry ny kolontsaina eto an-tanàna dia efa malaza amin’ny fanavaozana sy ny fahaizan’ny mpanakanto mitondra hevitra vaovao. Izany no mahatonga ny mozika malagasy, ny boky sy ny literatiora ary ny sarimihetsika avy eto hahazo sehatra lehibe kokoa sy re laza manerana izao tontolo izao.

Zavakanto sy Kolontsaina : hery lehibe eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny toekarena 

Ne fugit essent persequeris sed. Qui dico dicam sadipscing no. Ius posse omnes eleifend ne, no sea amet oblique. Mea in wisi utinam facilisi. Eu omnes nonumes reformidans sit, et eam aperiam pertinacia.

Ny zavakanto sy ny kolontsaina dia tsy vitan’ny hoe manome fahafinaretana sy fahalalana, fa izy ireo koa dia hery lehibe eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny toekarena. Manampy amin’ny fanamafisana ny maha-izy azy ny vondrom-piarahamonina izy ireo :

Manome asa ho an’ny tanora sy ny mpanakanto.

Manokatra varavarana ho an’ny fandraharahana sy ny fizahantany.

Manampy amin’ny fitazonana sy fampahafantarana ny maha-malagasy antsika eo anatrehan’izao tontolo izao.

Ny adidy sy andraikitry sahaniko, Gascar Fenosoa, solombavambahoakan’Antananarivo III dia ny hanamafy sy ny hanova an’Antananarivo ho foibe lehibe ara-kolontsaina eto amin’ny faritra sy manerana an’i Afrika. Mba hahatratrarana izany dia ilaina ny fanohanana ny mpanakanto sy ny tanora mpamorona amin’ny alalan’ny fiofanana sy sehatra maneho ny talentany.

“Tanàna tsy manome lanja ny kolontsaina dia toy ny vatana tsy misy fanahy. Antananarivo kosa mila ho tanàna velona sy manome aingam-panahy, tanàna ahafahan’ny rehetra maneho ny maha-izy azy sy mankafy ny hasin’ny maha malagasy.”

Add Your Comment