Fantatro ny zavatra iainantsika isan’andro na any amin’ny toeram-piasana, na eny an-kianja.
Anisan’ny lokan’ady lehibe indrindra amin’ny fanatanterahana ny asantsika ankehitriny ny fivadihin’ny « délit de presse » ho « atteinte à la sûreté de l’État » ka mahatonga azy sokajiana ho ady heloka tsotra ary mety hampigadra ny mpanao gazety mihintsy na dia efa nambara aza fa tsy misy ary tsy hisy intsony eto Madagasikara izany.
Miarahaba ny namana mpanao gazety rehetra amin’izao fankalazana ny 3 mai, andro iraisam-pirenena hoan’ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety izao.
Asa masina loatra ny asantsina ka mendrika ny arovana sy hitolomana izany fahalalàhana izany. Tohizo hatrany ny firaisankina ka ho iray ihany hatrany eny an-kianja.