🍀Miarahaba ny reny rehetra amin’izao fetin’ny Reny izao: Ny vadiko, reniko, rafozako, anabaviko, zaobaviko sy isika reny rehetra tsy misy hanavahana , miarahaba ary maniry fiadanana ho anareo anie.🥰 mirary soa ho azy ary hirotsaka aminy anie ny fahasoavana rehetra izay ilainy.🙋
-Mahatsiaro manokana an’ireo kamboty Reny rehetra amin’izao, tsarovy fa namela anao izy, namela mamy ho anao izy, 🥲🙂faly izy androany, any amin’ny toerana misy aza any satria tsaroanao izy ary faly izy fa tsy isan’ireo mitomany ianao androany fa mahatsiaro sambatra noho ny mamy navelany ho anao😘🌿
🍀Tsarona manokana ihany koa ireo reny rehetra voatery mamelona irery ny zanany💪noho ny antony maro samihafa, sady ray no reny,ianareo ireo ilay « reny mahery »💪 ka tsy ho diso anjara amin’ny fahasoavana ihany koa ianareo, hotombo hery sy fahasoavana anie💐
🛑Reny niteraka tsy manam- bady rehetra….,Reny sady miasa no mikarakara tokatrano sy zanaka, Reny mijaly ampanabadiana, maty vono…Reny nisara- panabadiana , mananontena.🛑
🍀🤝Miombona tanteraka sy mahatsiaro ireo reny any am-ponja amin’izao ka tsy mba eo anilan’ny zanany akory androany, mahatsiaro anreo re🥹 ao koa ireo zanaka manana reny any am-ponja ka tsy afaka ny mba hiara hankalaza ity andro ity akory anio, mahatsiaro anareo, miombona tanteraka aminareo ary mirary soa anareo🥰
❤️Mirary fety sambatra 🤱Ho ela velona avokoa ny Reny rehetra 😘😘🇲🇬🌿
Gascar Fenosoa

Add Your Comment